|
|
|
|

Entry1  Dieny mbola velona aho
Elementary words  2 dieny, 3 mbola, 4 velona, 5 aho
Part of speech  6  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  7  Literature: poems
Author  8 Rakotomalala-Rabarijaona Louis
Full text  9 
10  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
11  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
12  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
13  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

14  Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako,
15  Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako:
16  Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko,
17  Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko.

18  Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra,
19  Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra,
20  Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko:
21  Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko.

22  Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako,
23  Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako:
24  Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana,
25  Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana.

26  Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako,
27  Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ?
28  Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana,
29  Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana.

30  Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko,
31  Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko:
32  Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako
33  Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako.

Updated on 2025/11/17